Fiainana anjoria (RHHC)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro tranga mifanjohy anie ny lalana diavina,
Tsy hay vinaniana izay hiseho, tsy azo lavina.
Na teo ny faniriana izay narafitra hizorana,
Indraindray misy sakana mandrava ny fahatsorany.

Mantsy, tsotra sy mahitsy, tsisy lavaka na biloka,
Mazava, tsisy pentina, na rahona manaloka,
Izay no antenaina, n’iza n’iza te hamaritra,
Saingy hafa mihitsy ny lahatr’Andriamanitra!

Mandalo sedra avokoa, amin’ny dingana iakarana,
Mety hatahotra, ho kivy, te-hiala an-daharana,
Satria tena mafy, toy ny miatrika irery,
Ny mizaka ireo vesatra, mahatsiarotena ho’ very.

Amin’izay, toa tsy hita hoe nankaiza avokoa,
Ilay hery sy haravoana nandrandraina teo aloha.
Hanao hoe hiverina, ny omaly efa rava,
Handroso indray anefa, feno fanahiana lava.

Ny tsara indrindra àry dia mitony, maka AINA:
Anaty fahanginana no ahitana tsilo saina,
Mamerina ‘lay jery tontolo fahatsarana,
Manomana sahady izay tiana hiafaràna.

Mandalo ihany ny haizina, mitoetra ny Hazavana,
Mandalo ny hakiviana, hafa ny Fanantenana.
Ka ny mahay mankasitraka, matoky, mankafy,
Dia fanomezan-tsoa amin’ny fiainana anjoria!

RHHC
--------
Rohy:
93 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149