Misy olona any ho any, natao ho izay (RHHC)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy olona any ho any, natao hizaha toetra anao,
Koa amin’ny ady eto an-tany, dia asehoy ny herinao,
Fa TALENTA kely monja tsy voajery hatrizay
No mety handavo toy ny onja, haharesy anao indray.

Misy olona any ho any, natao hanenjika anao,
Ny hany apinga amin’izany dia ilay HERIN-TSAINAo,
Tano hifikitra, ho fefy, sao ho voahodin’ireo hafa,
Mahereza mba ho tratra ny fanamby nokinasa.

Misy olona any ho any, handambolambo handresy anao,
Koa mivonoana hatrany hatrany, hitàna TOKY nomenao,
Tahirizo ilay FINOANA tsy ho very na ho lefy,
Fa ny azy zava-poana, ny anao kosa tsara tefy.

RHHC
--------
Rohy:
130 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138