You are here: home > Vetso

FANDAHARANAO - RIJADOLLY

Azo vakiana?

FANDAHARANAO

Eny Ray,  eny
Ekeko ny fandaharanao
No dikaiko izy ireny
Kanefa Ianao tsy nandaho

Reraka aho nandika izany
Ny heriko no nentiko teto an-tany
Nampiasa izay saim-patatro
Ka torovana ny vatanko

Nihevi-tena ho matanjaka
Hay inty tena toa mitanjaka
Toa very ny Fanahy
Ka naditra sahisahy

Notoroana aho kanefa
Tany an-kafa no niantefa
Ny fahalalako no ambony
Ka tsy laitra notoroany

Nahatoky tena ho tsara lalana
Ka nandika ny fandaharany
Ka torotoro izany fo
Fa tsy nahazo fahafahm-po

Ianao ry Andriamanitra
No hiriako hitari-dalana
Satria Ianao no mihantra
Ho anay diso lalana

DOLLY

Sokajy : Fiderana