You are here: home > Vetso

RENY MOMBA - RIJADOLLY

Azo vakiana?

RENY MOMBA

Tsy fahoriana ho ahy akory
Na alahelo,tomany fo tena ory
Fa fisaorana no atolotro ho an'Raiko
Nanome zaza kamboty maro ho tezaiko


Eny tsy ataoko an-dranomaso
Na fialonana ao anaty fo vato
Fa ho diaviko ny lalako
Izay natolotry ny Tompo malalako

Koa na iza hanatsafa ahy
Na iza hanaketraka ny fanahy
Dia Reny aho ao anaty zaza tiana
Na ny tsy fidiny na ireo nariana


Tena ho koloiko ataoko am-panetretena
Tezaiko ary tiako mba omena
Fahendrena,Fahalalana feno hanitra
Ho voninahitr'Ilay inoako Tompo Andriamanitra

Dolly  http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=23&andininy=27-31&dika;=  

Sokajy : Fiderana

Hevitra mandeha

endrika01 (25/05/2008 10:23:13)

Bravo,bravo,Bon fety de Maman ary e!

rijadolly (27/05/2008 15:44:32)

Misaotra betsaka endrika a!

ihihihi!za endrika lahy an!Sa efa hitan'sé ve za?