FANDEFERANA - RIJADOLLY
Azo vakiana?
FANDEFERANA
Tsy resy akory ianao Rafandeferana
Tsy resy akory ianao raha toa ka irery
Aleo ho azy ny toerana
Raha donginy samy irery
Ho voatsindrona ny fonao Rafandeferana
Raha mihondrika milefitra
tsinjon-defona tsy azo ferana
Izany no niharetan'Mpandefitra
Mahafantatra ny tsy rariny ianao Rafandefera
Ka tena te- hitrahotra
Ny hevitra hamaly mety hiserana
Nefa aleho mihonina misaotra
Tsy anao ny Fotoana Rafandeferana
Eny tsy anao ny Famaliana
Mivava ho azy,ho an'ny tenany
Raha izany no hiriany
Nefa misy Hery mivoaka
Manameloka ny mpanao tsy rariny
Ao am-po tsy miloaka
Ny Fandeferana no Marina
Ao anaty Fandeferana
Ny hanefena ny fonao
Hipotran'ny Harena
HanoroaNy ny lalanao
[b]DOLLY[/b] http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=25&andininy=9-9&dika;=
Mombamomba
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadollyDaty : 31/03/2008
Mpamangy : 2660
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY IANAO MIHINTSYNY ASAN' NY TANAKO
FANDAHARANAO
NY LAMBA TAFIAKO
RY FANKAM-PANAHIKO
TANINDRAZAKO
RENY MOMBA
HO AN' I NENY (2)
HO AN' I NENY (1)
NOMENAO