HO AN' I NENY (2) (RIJADOLLY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'I NENY


Tsy mba manana hatolotra
Fa tonon-kalo eo am-potomolotro
No hany ankalazaiko
Ho an'ilay nikolokolo ny fanahiko


Tsy manana andro hisasarany
Hamolavola ny taranany
ny hany mba katsahiny
Tsy mampandry ny fanahiny


Ka mendrika ny ho deraiko
Ilay Reny nanampy ny Raiko
Naha lehibe sy nitaiza
Nefa ny valim-babeko mba hatraiza?


Koa fahezan-tonokalo
No atolotro ho an'Neny
Ho an'ilay tsy manam-pahavalo
Ka ankatoaviko raha miteny

Dolly
--------
Rohy:
4548 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadolly
Daty : 25/05/2008 05:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103