You are here: home > Vetso

FIAINANA - RIJADOLLY

Azo vakiana?

         FIAINANA

Ny fiainana eto an-tany
Dia tsy maintsy hatrehiko
Ny fijaliana sesilany
Dia tsy maintsy ho potehiko

Koa ampio aho rahavako
Hiadiko,hanoherako izany
Hanazavako ny tavako
Hamakivaky ny eto an-tany

Ny faharetana etsy an-daniny
Dia mbola ho sakelehina
Mba ahitana ny vaniny
Hanampy atao ho solon-tehina

Aiza ianao ry finoana
Hanampy ity faharetana
Hampitony ity fo tohina
Hanamaivana ny entana

Raha tojo fahasambarana
Fahasambarana toa tsy ampy
Fiafiana toa mifarana
Ny fahoriana toa mihatsampy

Fiainana toa hetaheta
Ny hiainantsika ety
Koa mino ,mahareta
Raha te ho sambatra ho doria

            Dolly

Sokajy : Ady, Fiainana, Fiderana