IZA RE MBA HISAORAKO E! (RIJADOLLY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA RE MBA HISAORAKO E?

Izay maso mihiratra avy ve
Dia tsy avy amiko
Nefa tsy tsaroako izay manokatra azy
Iza re mba hisaorako é?

Izay vatako mihetsika avy ve
Dia tsy ny herin'ny tenako
Nefa tsy tsaroako ny mibaiko azy
iza re mba hisaorako é?

Izay saina mihevitra avy ve
Dia tsy avy amin'ny fitadidiako
Nefa iza no mitahiry azy?
Iza re mba hisaorako é?

Izay miteny ao am-bava ve
Hanambara ny ratsy sy ny tsara
Nefa iza no mamehy ny lelako?
Iza re mba hisaorako é?

Toa mavesatra hoy aho izany masoko
Te hikipy tsy haritro
Ny vava toa mikombina
Ny lela toa mingombona
Ny saina tsy mihevitra
Fitadidiana tsy miheritreritra
Vatana milefitra
Tsy afaka mihetsika

Iza no manome fialan-tsasatra?
Iza re mba hisaorako é?
Iza no manome fitsaharany?
Hay Jehovah Tompo maninjitra ny tanaNy

DOLLY
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
1195 1
Hevitra mandeha
rijadolly ( 09/08/2008 19:10)
http://www.youtube.com/user/korosuu ihihihi!
achrafhanna ( 10/08/2008 15:17)
tsara be ny vetsonao.
rijadolly ( 10/08/2008 21:31)
Misaotra achrafhanna a!Any @izay heveritsika ho bitika indrindra kay dia efa nahazo Ilay Fasoavana isika izay tsy takitry ny saikelitsika.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadolly
Daty : 09/08/2008 19:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133