IZAY ILAY FOTOANA (RIJADOLLY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY ILAY FOTOANA

Rehefa reraka nandehandeha
Lalan-davitra,filana tsy voafehy
Izay ilay andro miantso sy mitaona
Miverenà fa, izay ilay Fotoana

Indro tonga ilay fahatsiarovan-tena
Nandanjalanja ireo fanarian-tena
Injay ilay Feo miantso anao foana
Miovà fa, izay ilay Fotoana

Eny mety misy fahatsiarovana
Ny ratsy vita sy ireo fahalovana
Indro, ilay Ra ny Zanakondry
Izay ilay Fotoana, ho an’izay nilonjy

Tsy ampy toky ka miroaroa saina
Miovaova tsy ahitana izay ilaina
Injay! ilay Fanahy eo am-pamoloana
Mandrosoà fa, izay ilay Fotoana

Ho avy iza ny hampandroso?
Inty olona noana mangetaheta mofo
Mikaroka mafy ny fanalahidy
Izay ilay fotoana, ka aza mba kivy

Ho avy ny andro hiverenaNy indray
Ilay Zanakondry lasa any amin’iRay
Tonga haka ireo mpihazakazaka
Izay ilay Fotoana, ho an’izay tsy valaka

Kotrok’orana, feno horohoro
Ny lanitra mihozona, ny tany torotoro
Indro ranomaso mampivalohalika
Izay ilay Fotoana, mivavà mandohalika

Dolly
--------
Rohy:
1691 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadolly
Daty : 23/09/2007 14:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103