NY ASAN' NY TANAKO - RIJADOLLY
Azo vakiana?
NY ASAN' NY TANAKO
Ny asan'tanako mamafy fasoavana
Namana, rahalahy, ho an' ny havana
Manao asa soa ho voninahitrao
Tsy misy safidy fa irakao
Ny asan' ny tanako ho an'ny mpanararaotra
Omena tsy tapaka ho an' ireo mody misaotra
Nasehoko fatratra fa tsy manam-paharerahana
Tsy misy safidy fa natao ho fiarahana
Ny asan' ny tanako izay toa mahagaga
Nataoko am-po toy ny asan' ny zaza
Tsy hita ho refesina hatraiza ny sarany
Tsy misy safidy fa toa mamy am-parany
Ny asan' ny tanako natao ho tsinotsinona
Foiko ho zaraina, tsy haiko nofihinina
Nitobaka avokoa izay rehetra ato anatiko
Tsy misy safidy fa hatramin'ny voafantiko
Ny asan' ny tanako ho porofom_pitia
Natao hankahalain' ireo izay tsy tia
Manampy nefa toa maha sorena
Tsy misy safidy tsy maintsy omena
Ny asan'ny tanako tsy ratsy tsy tsara
Ny manodidina dia samy mahazo ny anjara
Tsy fantatro hoe inona ny antony marina
Tsy misy safidy fa ny TOMPOKO no sariny
DOLLY (2007)
Mombamomba
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadollyDaty : 25/01/2011
Mpamangy : 1494
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY IANAO MIHINTSYFANDAHARANAO
NY LAMBA TAFIAKO
RY FANKAM-PANAHIKO
TANINDRAZAKO
RENY MOMBA
HO AN' I NENY (2)
HO AN' I NENY (1)
NOMENAO
FANDEFERANA