You are here: home > Vetso

ROTIKA - RIJADOLLY

Azo vakiana?

ROTIKA

Ato anaty alina mangina
Tsy eo anilan’olotiana
No mandefa ny fisainana
Mba hiantefan’ny fitarainana

Tsy afaka hamitra halahelo
Ny fahatsiarovana mamelovelo
Tambitamby nofinofy
Ny mandrotika ny nofo

Sentosento  sesilany
Tsy tamby isaina ny vinany
Ka nanindrona ny fo
Mahavaky ny ati-doha

Ranomaso mitete
Iza moa no hiantra é!
Mirotsaka mangina
Ny halahelo tsy nirina

Onda-kotsan-dranomaso
Izay mirotsaka tsy miato
No mba any hofihinina
Mba fitia toy inona

Ny maso mipitrapitra
Ny fitia tsy misy hamitra
Ny saina mila adala
Ny fitia mankahala

Tena tsy misy hantenaina
Mba hampitony izany saina
Ny ankanjo rovindrovitra
Izany fo mihovitrovitra

Ny AKO izay miserana
BITSIBITSIKA tsy ferana
Ny mampihonina ny fo
Dia tsy maintsy izay aloha

Dolly

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

harisanda (10/09/2007 07:56:30)

ntso o!nilaozany nga?

rijadolly (20/09/2007 20:51:50)

marihana fa misy dikany ilay AKO sy BITSIBITSIKA fa tsy dia ilay fanaintainana toe ampisarahana ny tiana asongadina.Mila mihaino ilay Mpanome fihononana raha tojo tahaka izao.rijadolly ihany

sejianis (22/09/2007 14:39:09)

merci rijadolly