You are here: home > Vetso

ZAVA-POANA - RIJADOLLY

Azo vakiana?

        ZAVA- POANA

Eny ,izany reharehako tena fatratra
Fa nihezaka ny hanao izay tena mendrika
Mety ho mafy orina fa tsy tonga lafatra
Fa fahamarinana mora miova endrika

Eny, zava-poana ireo fahandreko
Tsy inoNao akory ny zavatra tendreko
Ny fatran’fanandratana izay atolotro
Tsy inoNao akory fa hatreo am-poto-molotro

Ny asa vitako entina hisehoana
Izay tsara jerena eo am-pisentoana
Eny, tsy mampitombo tsy mampihena
Ny voninahitrao,sy Ilay Nanetritena

Ny fahafantarako sy ny fahalalako
Dia nitarika ahy tsy hanao ny adalako
Eny zava-poana,tsy nampiova Anao
Fa tsy nampitombo akory ny voninahitrao

Eny, tsy hanamarin-tena aho
Eny, tsy hanao izany satria
Misy fahamarinana tsy ary ho haiko
Tsy azoko heverina tsy takatry ny saiko

Ny  zavatra tsara vita eto an-tany
Ny tombony dia ho an’ ny olona ihany
Fa ny fahatokisam-pamonjena
Dia ny fibebahana sy ny fanetretena

            DOLLY

Sokajy : Fiderana

Hevitra mandeha

niryna (03/01/2008 18:33:27)

misaotra betsaka e.
ba makikely niryna