HIRA HAFA (Riva)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIRA HAFA


Hira hafa indray hiraina
fa ny hirahirantsika ireny
tsy ny tonony... tsy feony
f'efa tapitra hain'ny hafa

Ka hira hafa indray hiraina
hirahira ts'isy tonony
efa voarafitra mialoha
fa hira mihira izay kobonin'
ny eritreritra sy fo
eo andalam-pihirana

Dia hira hafa ndray hiraina
hirahira ts'isy feony
ho kaloina anaty hiaka
fa ambitsibitsikA tsy ren'
ny olon-kafa ankoatra antsika
nefa tena kanto indrindra!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riva
Nampiditra : rivaando
Daty : 11/01/2010 08:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145