IMPIRY (Riva)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IMPIRY

Efa mba impiry impiry
no nikasa sy naniry
ka tapa-kevitra hikiry
sy hiezaka hampitsiry
fitia iray makadiry,

ary efa impiry impiry
ny arika sy diridiry
no tsy navela hampariry*
fa mainka aza hampitahiry
fanantenana firifiry...

Nefa mainka koa impiry
no niaritra hirifiry
fa mbola miziriziry
isaky ny tafasiry
ilay tiana ka MANIRIKIRY!

*Mariry= maina
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Alahelo - Fitiavana
1647 1
Mpakafy: rivaando
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riva
Nampiditra : rivaando
Daty : 01/03/2010 08:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143