NOFY (Riva)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY


Anio,
tsy maninona ny volana
raha toa somambisamby
ka taratra manify
matsora dia matsora
tsy toy ny mahazatra
no sisa hanjavozavo
ato an'efitranokeliko;
fa mainka ko ho pihiko
ilay jiro mitsilopy
fandrehitro manokana
eto andoham-pandrianako eto
rehefa ora tahaka izao,
ka avela ho tena alina
mangina sady maizina
no hanenika ity efitra
sy aliko eto ity
mba tsy hisy hahalala
na olon-tokana aza
satria tsy tiako ho fantatry
ny hafa ankoatra anao
ilay nofinofy mamy
manomboka misonga
sy midongy hibahan-toerana
ao an'eritrreritro ao
dia tsiahy mamelovelo
hampiaina ahy fanindroany
'lay fitia tsiambaratelo
vao nifanolorantsika
androany folakandro,
f'indrindra ny hasambarako
nisantatra ny oroky
ny molotrao voalohany
dia ny orokao voalohany
mbola henoko manafotra
ny fiainana tontoloko
ato anaty sasak'alina
sy tonga mahadodona
ny doboky ny foko
hidodododo faingana
fa tsy mahandry intsony
ny ampitso hihaonantsika
ka inty mitady anao
anaty faralalin'
ny nofy feno nofy...

O, nofinofy mamiko!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1836 1
Mpakafy: rivaando
Hevitra mandeha
rivaando ( 11/01/2010 08:49)
tsaroanareo ve ilay alina voalohany fony nahazaka sipa? DE LASA NY ERITRERITR AO ANTY ALINA AO...
kiriah ( 23/05/2012 11:02)
hihihi! mahita atao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riva
Nampiditra : rivaando
Daty : 11/01/2010 08:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151