MANARA-PENITRA (Riva)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANARA-PENITRA

Tsara ny manana,
Ary satry ho arifomba ny eo am-pelatanana:
trano vaventy... kianja mirenty
toera-malaza fanaovana fety...
fa rahoviana ho tsentsina anefa ny banga?

Aza dia maika hisavi-tsaranga!

Isika miezaka
hampanara-penitra ny endrika ivelany
fa ny kibom-bahoaka navela hitofezaka:
samy manao izay hahavoky ny tenany!

Dia miaiky aho leiretsy
amin'ity hevi-petsy
hampatoriana an'ireto vahoaka,
rahoviana ary isika vao ho tafavoaka?!

Odiana tsy hita ny raha tsy manjary
fa ireo no mba vita dia aharihary,
dia hono hoe tafita
ny fanamby napetraka hanova tantara
kanefa ry Gasy raha azoko tsara
dia trosan-taranaka anie no ho tambiny
miafitra anatin’ny somambisambiny…

Ry manam-panahy
isika tokoa ve tsy mba niahiahy
hoe taiza ny vola?
Ity firenena iaraha-mahita
fa anaty "kirizy" sy tetezamita...

Ry manam-panahy,
lazao izay mahalala
fa mampieritreritra mahalasa adala.
Sa tsara fanahy indray i Reny malala?
Sa ve ny Arabo?
Sa ve ny Karana?
Sao sanatria hono ka ny tanàna
no efa namidy ho zanahana indray
iza no mahay?

Tsy haiko izay fenitra arahantsika
ry Gasy sakaiza...

…Fa manara-penitra anefa dia ho aiza?!

Riva
12/12/12 Ambaitra
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1312 1
Mpakafy: rivaando
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riva
Nampiditra : rivaando
Daty : 28/01/2013 05:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169