TIAKO BE IZY (Riva)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO BE IZY

Ry foko,
akatony aloha io varavarana io
dia avia mandraisa toerana
fa ho tantaraiko anao ilay fotoana fanaperana
niainanay anio,
dia ilay fotoana miavaky ny fitiavana miandoha
rehefa miara-tafafoha...
Sahala mihintsy 'zahay
samy menamenatra tsy maro teny izay
ny tanana no mailaka nalaky nifandray
nifampita hafanana
fa toa nentanim-po ka nifamihina tsy tana
avy eo dia samy sina
samy naka fy an'eritreritra mangina,
mifampijery foana dia miaraka mitsiky
dia miara-mitokiky...
Endrey izany hasambarana,
endrey 'zahay roa teo am-pisantarana
'lay nofy tonga fiainana iriana tsy hifarana
raha tsy aina no misaraka...
Norohako ny handriny
notsongoiko mora izato lanton-tsandriny
avy eo dia nosintoniko mba handry teo an-tratrako...
Lafatra ny fiainana!
.................................
Fa ny mpifankatia moa mila mifankahalala
dia indro aho fa namboraka tsy nisalasala
ny marina nafeniko:
izao akia malala a,
tsy maintsy ho teneniko
'ty zava-misy 'ty fa mety hanahirana
alohan'ny tena idirana
amin'ny lalina kokoa,
mbola any mantsy ilay namako taloha
ary tena tsy haiko intsony ny momba anay roa
efa tsy mifankatia nefa tsy miady koa!
...............................................................
Tankina tanteraka tery ilay malalako
ankona sy kivy tamin'ny vazivazy adalako
tsy nahahetsika izy
nivarahontsana izaitsizy
tsy nisy teny akory nivoaka teo ambavany
ranomaso monja no nanorika ny tavany...
Tiany aho,
tena tiany loatra
tena tsy nampoiziny ilay sangy tafahoatra
.....................................................................
Malala a,
ry tiako indrindra, aza tsiny…
tsy misy akory 'zany fa mba sangisangiko iny
izaho tsy manan-tiana ankoatra anao ankehitriny,
mitonia rahavako
fa indro efa anao manontolo ny fitiavako.
.....................................................................
Ary etsy raha tianao
averiko tononina ny marina ato am-poko
ilay marina hitoetra tsy avelako hiova loko
fa hanjaka foana ao
hoe: "TIAKO BE IANAO!"

Riva
17/12/12 Ambaitra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2536 2
Hevitra mandeha
kiriah ( 28/01/2013 12:09)
Ntsayyyyy e! , ôtran ny hitako le zanak ' ol mamaky an ireto a! , lol!
hery ( 28/01/2013 15:15)
mila mandalo any Ambaitra koa ny tenanay fa miainga be ny santimaka any lol
rivaando ( 29/01/2013 09:36)
Ie, tongava soa ry Hery a, hihi
Zozoro ( 30/01/2013 11:45)
Kanto...
FENOSOA2 ( 02/02/2013 10:44)
slt? tohizo leisy ando fa tena milay a!
raozigasy ( 22/04/2013 15:22)
Aiza ilay Ambaitra
fa ainga toa tsy laitra
no mientana avy any
mangorintsina ny Tany
rivaando ( 23/04/2013 08:34)
Ambaitra ve? Ambohidratrimo ihany fa toa izany no fiantson'ny olona azy dia mba mahafinaritra ahy e, misaotra anareo rehetra niara-nianoka ...
raozigasy ( 23/04/2013 13:37)
Ahoana no atao raha te hiserasera amin'i Rivaando ? azonao apetraka ao amin'ny raozigasy@gmail.com ve ?
rivaando ( 27/04/2013 18:08)
Manao facebook ve Raozigasy? Ao no tena ahitana ahy, riva ando andriamalala no anarana, na ity takila ity koa: KALO FITIA, misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Riva
Nampiditra : rivaando
Daty : 28/01/2013 04:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097