Fahotana foana (Rongo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahotana foana

Io lanitra io raha manga ?
Tsy ho manga foana foana
Tsy maintsy hifandimbiasan' ny ora sy fotoana
ny reva-doko atorany,
Raha manga teo ny sorany ...
Isika tsy mpandahatra ka afaka ny hamaritra izay zotra mety hizorany !

Ny volana mitranga ?
Tsy hitranga foana foana;
Tsy maintsy hifandimbiasan'ny ora sy fotoana
raha tany koa ny tany,
Baliaka teo androany ...
F' isika tsy Andriamanitra ka afaka hitazona izay taratr' hazavany !

Ary itsy voninkazo?
Tsy ho manja foana foana
Tsy maintsy mbola halazon' ny ora sy fotoana
fa manan' aina ihany,
Namelana izy androany ...
F' isika angaha mpamorona ka afaka ny hitazona izay mety ho fahamanjàny ?

Ary ito kirintsika?
Tsy maintsy mbola hisinda
Tsy maintsy ampandeferin' ny misy efa voarindra
f'isika no tsy miaiky,
Na te hifanakaiky ...
F'izaho angaha mpandahatra ka afaka ny handrodana ny Ianao efa nanaiky?

Ka eto no sampanana !
Fa mena izao ny loko
Tsy ho tsara mihitsy mihitsy ny Ianao mitia ny foko
na ho afenina sy asoko,
Ary n' inona ho porofo ...
Dia fahotana foana na aza ho arivo taona ny mitia ny manan-tompo!


Rongo. © 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
97 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rongo
Nampiditra : iRongo
Daty : 18/03/2024 17:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142