Raha tsy hihira intsony (Rongo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tsy hihira intsony...

Raha tsy hihira intsony isika
iza indray no mba hikalo
ny hatsaran'ny lohataona
mbamin'ny volana baliaka
sy ny alina mimoana?

Raha tsy hihira intsony isika
iza indray no mba hitsilo
ireo tsy manan- kitarainana
mosarena an'alinkisa
izay nalavon'ny fiainana?

Raha tsy hihira intsony isika
iza ndray no hampanako
ireo tarainan'ny ambany
noverezin- jo tsy hihiaka
moana noho ny fahantrany?

Raha tsy hihira intsony isika
iza indray no hamelomaso
irony tsiaro am- para- tazana
miha rendrika tsy ho hita
nefa ain'ny tanindrazana?

Raha tsy hihira intsony isika
iza indray no ho arofanina
eny anivom- piarahamonina
anjakan'ny disadisa
sy ny sisa tsy hay tononina?

Soa fa mbola mihira isika...

©️Rongo, 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
70 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rongo
Nampiditra : iRongo
Daty : 18/03/2024 17:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0659