Hatsarantarehy (Rongo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatsarantarehy

Raha tsy ho masina amin'ny
teny izay hasinintsika isika,
dia ho mosalahy mpandrenty
kalo moana sy poakaty;
mana- maso tsy mahita,
jamban'eritreri-maty
sy ny fitaka am-babeny;
ka mitory tsy fitory
sy miteny tsy fiteny!

Raha tsy ho velona amin'ny
aina izay haterany ny saina,
dia ho ilay mahantra indrindra
mitofezaka amin'ny adiny;
mbola tsy mitranga akory
ny angon- taratra maraina,
dia hikainkona halazo
ka tsy ho tojo izay tadiaviny!

Ny hatsaran- tarehy anefa
raha tsy tazana mitopa,
sy miseho an- karihary
amin'ny endri- manodoka,
tsy nankaiza fa niery
ao an'efiny mangina;
miandry ny ora sy fotoana
hiofony ho tononkira
ao am- parahatotsika!

Saingy isika no mamono
ny Andriamanitra matory
ao anatintsika ombieny,
ka mitory tsy fitory
sy miteny tsy fiteny!

Rongo, 28/11/21
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
76 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rongo
Nampiditra : iRongo
Daty : 18/03/2024 16:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141