Tsy Poeta ny Poeta (Rongo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy poeta ny poeta...

Toy ny isika nofo ihany
miaina tahaka ny rehetra
avy tamin'ny vovo- tany
fa tsy anjely ny Poeta!

Maminany izay hitranga
ka mamoha ny am- parahatony
amin'ny tononkira manja
tsara tefy anaty lantony!

Tenaben'ny finiavana
izay nateraka hitolona
sy hamelona fitiavana
ao am- pon'ny zanak'olona!

Ilay tinaitran'alim-be
tsy nahatsindry ka niarina
raha ny maro kosa he
mbola anaty nofy lalina!

Tsy Poeta ny Poeta
mampatory ny ambiroany
sy mitsahatra hetaheta
noho ny volon'andro tony!

Ilay misala sy manahy
tsy mba babo indray mandeha
fa mikatsaka am- panahy
ny hatsaran'ny ela be!

Rehefa izay no tarigetra
vao Poeta ny Poeta!

©️Rongo, 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
96 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rongo
Nampiditra : iRongo
Daty : 18/03/2024 17:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149