Ny tia (Rongo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tia...

Ny tia tsy mandeha ila,
Ka hoe izay tinao ihany
No voasoritra ho efainy.

Fa izy koa mba mila
Kisarin- tenimamy
Avy aminao lalainy.

Ataovy tsisy dila
Izao teniko eto izao,
Raha diso aho dia teneno...

Fitia manao tanila
Ny ambadiky ny atao
Raha toa ka tsy hifameno!

Fitiavana dia 'zao:
Avy ao am- po ny retsiny,
Fa tsy natao ho sazy

Tsy mbola tia ianao,
Raha toa ka miandry setriny...
Vao hahafoy tena ho azy!

Rongo, 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
82 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rongo
Nampiditra : iRongo
Daty : 18/03/2024 17:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0298