Poeta (Rongo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Poeta,

Misy fiaina-mbola tsy hary
miafina amin'ny rehetra rehetra
f'efa vita sarisary
ao an-diarin'ny poeta!

Misy fiaina-mbola nofy
tsy natsaikan'ny fisiana
fa poeta no efa nioty
teny an'habany mangina!

Misy miafina ao anaty,
ao anatinao mitoetra
saingy tazanao miranty
eny an-tsoratra poeta!

Nisy koa ny fo narary
very ny andry fiankinany
fa poeta no nandrary
ny elatra mba hisidinany!

Tsy anjely ny poeta
fa mpikatsaka hatsarana
sy mpamelona hetaheta
ao anaty figagana!

©️Rongo, 2021
--------
Rohy:
183 4
Mpakafy: Djess - RIXAM - ikalamako - iRongo
Hevitra mandeha
iRongo ( 19/03/2024 16:03)
Misaotra an'i Ikalamako nanao ny fiantsana ????
ikalamako ( 20/03/2024 23:14)
tam-pifaliana r'ise a
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rongo
Nampiditra : iRongo
Daty : 04/03/2024 12:01
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141