You are here: home > Vetso

ANKAFIZIKO NY ANIO (Carpe diem) - Ryana

Azo vakiana?

ANKAFIZIKO NY ANIO
(Carpe diem)


Raha sendra any aminao
Ka misy sombim-pitiavana,
Tantavano sy kenao
Mba ho ela vao hifarana�

Raha sendra ianao mahatsikaritra
Izay mba mety ho lafintsarako,
Kobony any mba haharitra,
Ho ravaky ny tantarako�

Raha sendra ianao maminavina
Ny hizara tapa-d�lana amiko,
Aza ambara, aoka hangina:
Ny mahita anao dia efa mamiko!

Tsy hoe ianao no tiako hoferana
Fa tiako hateza ny �isika�;
Ny fenitro? tsy fanamperana:
Ny anio izao no paradisa!

Ryana
(02/10/07)