ASA NY AMINAO... - Ryana
Azo vakiana?
ASA NY AMINAO…
Segondra vitsy monja,
Tsiahy mitamberina,
Dia ampy indray hitondra
Ny lasa mba hiverina.
Ny làlana iverenana,
Ireo endrika efa hita
No injao mampitamberina
Ireo hefa sy ny vita.
Vetso mampahatsiahy
Andro takariva izay
No manainga ny fanahy
Hamisavisa anao indray.
Eritreritra mivoana
Sento tokana ihany
Dia voatsiahy fa misaona
Ny ao anatiko tomany.
…
Izay aloha raha ny amiko
Niezaka aho ny hanadino;
Nefa toa nofy no nindramiko:
Izaho mbola miandry sady mino.
Ryana
(08/11/06)
Hevitra mandeha
helitiana (14/11/2006 12:57:04)
tena sarotra ny manadino!...ary tsara ny manantena.
Mirarisoa.
Malalason (14/11/2006 13:26:26)
raha tsy misy adin-tsaina tsy misy fahasambarana.
sarotra ny manadino ary indrindra rehefa tonga izay tsiahy tsy maty vonoina izay de e e tsisy fika mihitsy.
Mahereza
Ryana (15/11/2006 13:48:40)
Misaotra amin'ny fampaherezana. Fa tsy voatery hoe malahelo anie rehefa mahatsiaro ê! Sa ahoana hoy ianareo? Indraindray tsiky mihitsy no lasa tsy tàna rehefa tonga ny fahatsiarovana.
Mankasitraka anareo nitsidika.
Ryana
tikitaky (28/02/2007 08:42:09)
Lasa ny mamba dia misosoka ny voay
Tsy hanary lamba raha very olona iray (Mahaleo)
Ryana (03/03/2007 09:28:40)
Misy fotoana tena sarotra kosa ny manadino ê! aleo atao hoe "sarotra ny manadino vetivety", satria rehefa ela ny ela, mionona ihany, sa ahoana?
MIsaotra nandalo tato .
Ryana
Mombamomba
Mpanoratra : Ryana
Nampiditra : RyanaDaty : 14/11/2006
Mpamangy : 1663
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MBA LAZAO AZYHOY IANAO...
MANDALO IHANY (nadika avy tamin'ny “Ça passe”)
NANJARY TIAKO
NANJARY NEKEKO
ISAO TOERANA AHO (nadika avy tamin'ny "Fais-moi une place")
TIANY, HONO, AHO...
NY HERIKO
RAHA HO AVY
AZAFADY