You are here: home > Vetso

AZA ANENENANA - Ryana

Azo vakiana?

AZA ANENENANA

Raha sendra tsy niniana ny resaka niserana
Fa tonga tam’izao;
Aza dia tsiniana ary aza anenenana
Raiso ho soa natao…

Raha toa tsy tandrintandrina ny tàna-nifandray,
Tsy nahim-po akory;
Aza miahiahy fa roa tsy mety ho iray
Ny manana sy ny ory…

Aza tsikeraina iny fotoana fohy iny
Izay mba niarahana;
Efa ampy ireo maraina nandimby azy iny
Haneho ny fisarahana…

Ryana
(14/11/07)


Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

pissoa (31/01/2008 14:12:17)

hmmm !

tsara Ryana a ! Mankasitraka hatrany.

Manitra (18/02/2008 13:08:11)

tsara dia tsara fa
tohizo hatrany Ryana!

Ryana (07/03/2008 22:42:26)

MIsaotra ê!