"EFA SAMBATRA IZY..." (Ryana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"EFA SAMBATRA IZY..."

"Efa sambatra izy, efa nanadino,
Efa tsy tsaroany ny vita sy ny lasa;
Efa fo vao no mitempo sady mino,
Efa lasy hafa no kinendry sy kinasa...

"Efa anarana hafa no tsy afaka am-bavany,
Raha misy ny manjo, na tojo hafaliana;
Efa tsikitsiky no mandravaka ny tavany,
Satria tsy iray fa roa, salanitra fa tiana!

"Efa nofy hafa no akariny ny hariva,
Endrika vaovao no mameno izato sainy;
Hira kanto tsy fandre no kaloiny ivaiva,
Efa sambatra izy re, nihavao mbamin'ny ainy!"

...

Izay no faniriako hoe tohin'ny tantarako:
"Efa sambatra izy na tsy eo aza ianao!"
Kanefa hatrizao, tsy vatra hoborahiko,
Mbola faly aho mandre na dia hoe sombim-piainanao!

Ryana
(02/03/07)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2311 2
Mpakafy: katita - hery
Hevitra mandeha
scotlandyard ( 02/03/2007 23:22)
ENY EFA SAMBATRA IZY

Efa sambatra izy , eny efa haiko
Dia ilay fahasambarana , tsy takatry ny saiko
Efa sambatra izy, eny efa fantatro
Dia ilay fahasambarana , ilay tsy nety takatro

Efa sambatra izy, izay no niriko ho azy
Hoe eo anilan’ny tiany izy no mivazivazy
Efa sambatra izy, izay koa no hanginako
Tsy ho ahy ilay ampitsony, satriko hoe hiankinako

Efa sambatra izy, izay dia ampy ahy,
F’efa nofidiny, ilay silaka fanahy
Hanohy ilay tantara , izay natombokay,
Ahy ny hatrizay, ny azy mandrakizay


Ryana ( 03/03/2007 09:21)
MAnkasitraka!
Ryana
soniah ( 28/04/2007 10:58)
tena tsara be le tononkalo !tena babo tanteraka ny tenako
Ryana ( 30/04/2007 18:51)
Mankasitraka Soniah ah!
vanjanofy ( 02/05/2007 10:05)
Efa sambatra izy, hoy ny rindran-teny
naverimberinao
efa nanadino 'reo sangisangy kely
sy 'rony kilalao
nataony toy ny tsisy 'lay tàna-nifandray
sy fony nitampify
adinony hoy ianao 'lay hirahiranay
sy tsiky menafify!

Ny nofy, ilay nasandrany rehefa takariva
hiarahana aminao
indro koa fa tonga alina madiva
sy kalo zary lao
nafoiny hatreo ny mamy figokany fahiny
fony taminao
navelany ‘zay vita fa efa iny olona iny
no solon-toeranao!

Dia ‘zay no sombim-piainana hiainany ankehitriny
‘lay mahaliana anao
EFA SAMBATRA IZY fa tsy ohatran’ny fahiny
raha teo anilanao
ny anaranao ‘zay tiany niraikitra tan-tsainy
sy tsy afaka tam-bavany
indrisy, nidifiny sy zary tsy antsainy
anaty tonom-bavany!


Efa sambatra izy izao
Ny fiainanao ?
Anao ny anao!
Ryana ( 13/05/2007 17:03)
Misaotra an'i Vanjanofy!
Ryana
miela ( 21/06/2007 22:55)
niainanao mihitsy ve io voatantara anaty tononkalo io ?
Ryana ( 20/08/2007 12:53)
Fa nahoana ry MIela?
MIsaotra nitsidika ê!
Ryana
mampikanto21 ( 09/01/2008 08:58)
Ryana a!

Mety ho sambatra izy nefa ny tena fahasambarany dia ilay eo anilanao, saingy tsy hainy borahina fa sao tsy ....
Sambatra kokoa izy raha toa ka ilay tena ho eo anilanao. Mety ho tia koa izy fa miafy satria ilay fahasambarany any anaty any fa giazany.

Mankasitraka Ryana a!

Mampikanto
Ryana ( 07/03/2008 22:44)
Tsy inoako ry Mampikanto..; tsarà ê!
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155