FITIAVANA MANGINA (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA MANGINA

Malahelo fa mionona,
Te hiantso fa mangina,
Na te hizara aza kobonina,
…Mipitrapitra sady sina.

Mangitakitaka fa ferana,
Ity ratra toa mikiky anaty ;
Ny ho avy tsy hita hianteherana,
Ny latsa mety tsy ho tanty.

Misamboaravoara fa toneko,
Mila hitroatra, hanala aina ;
Avy eo indray ‘njao fa reko
Mitoloko sady mitaraina…

Te hanantena fa miahotra
Satria ity manda tsy ho voadingana ;
Ka sady miandry no matahotra,
Tsy sahy miroso sao voafingana.

Malahelo fa mionona
Mipitrapitra sady sina,
Na te hizara aza kobonina
Satria fitiavana mangina !

Ryana
(27/03/07)
--------
Rohy:
6931 2
Mpakafy: nixmada - Ryana
Hevitra mandeha
ramalagasy ( 25/04/2007 16:28)
Misy hira izay manao hoe adidin'ny tia moa ny manina?
Ryana ( 25/04/2007 21:06)
Tsy haiko indray izany hira izany Ramalagasy. Fa mety ho marina tokoa ny voalazanao. SAingy "adidy" ve izany sa "safidy" kosa ê???
Ryana
scotlandyard ( 26/04/2007 19:13)
aza hampanginina
ary aza fihinina
izay fitiavanao
fa tonga dia lazao

aza feramperana
na tsy hita hianteheran’
ny hitakitam-po
ny korontana ao an-doha

aza hampitoniana
ireo faniriana
avelao hitroatra
ny ao am-po hiloatra

aza avela hienaena
ilay fo manantena
manaova ihany dingana
na ho sanatria voafingana

fa aiza no hahalalany
ahoana no hahafantarany
ilay fitiavanao mangina ?
teneno dia valiana !!!!

kanefa ianao ihany
no mahalala izany
tsy adidy io na didy
fa anao ny safidy

endrehina ( 28/04/2007 12:36)
aleo marina kobonina refa hita fa tsy ho tanteraka e mandratra fo fotsiny manko ra maazo valin-teny marary eo hoy manko rado hoe ny tia fa tsy miteny no tena tia kokoa
Ryana ( 30/04/2007 18:49)
Tohiny...

ANIO IHANY

Ekeko fa hoe hadisoana,
Fantatro fa hadalàna,
F’anio tiako ho hadinoina
Ireo didy sy ireo fandraràna.

Raha raisina ho fahotàko,
Vonona aho hizaka ny heloko ;
F’anio tsy mba horaràko
Fa hoventesiko sy haveriko.

Tsy hiahotra aho, tsy hisalasala
Hizara ny ao anatiko aho ;
Ka ny rehetra hahalala
Izay nokoboniko hatrizao.

Mety hisy ho tahintohina,
Hilaza fa rediredy ny ahy ;
Hisy ireo himonimonina,
Hiampanga ahy ho ts’isy fanahy.

Fa tsy ahoako izay hiseho,
Tsy ahoako izao rehetra izao
Anio ihany aho, mba ekeo
Hilaza fa hoe « Tiako ianao ! »

Anio ihany…

Ryana
(28/03/07)
keys ( 27/09/2007 10:11)
manantalenta enao sady be sentiment de milay b
tojoratre ( 18/01/2008 16:32)
slt, tsy ambara mety sa tsy fa ihanao miaina azy no tompony zavatra izay ataonao, ka ra tsara ny haingam-panahinao ra mba andramana hoe teneno aminy olon-tianao
pissoa ( 23/03/2009 12:41)
Hitako ihany ity ny farany !

Teo ampamakiana azy ity ilay hoe "Ity Foko" nosoratako ... fa rehefa tena vita ilay izy dia tsy nety tadidiko mihitsy hoe aiza ilay originale :-P

Misaotra Ryana !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146