HO INONAO (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO INONAO

Na mirodana aza ny fananten�na,
Foana, babangoana;
Ka mangahiahy, miandrandra fiantr�na,
Gina sady moana;

Na tsy hita intsony ny tara-masoandro
Fa maizina ny tany;
Ka tsy hafa intsony ny alina sy andro
Fa toa iray ihany;

Na efa lany hatreo ny mamy sy ny mety
Fa ngidiny no sisa,
Ka tsy misy intsony, na dia hoe vetivety,
Ireo sombim-paradisa;

Na dia horohoro no mandravaka ny alina
Fa foana mbamin�ny nofy;
Na fo voarasarasa sy sento anaty, lalina
No hany tambin-drofy�

Raha izay no fiainako� ho inonao moa?
Ho inonao ny anjarako?
Ho inonao anefa� ho inonao tokoa?
Tsy ahoanao ny tantarako�

Ryana
(29/08/07)
--------
Rohy:
1733 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01