Ifonako, malala (Ryana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IFONAKO, MALALA

Ireo teny tsy voahevitra, nandratra ny atifonao,
Ireo fanapahan-kevitra nokasaiko ho natao,
Ireo eritreritro nivoana, niampanga, niahiahy,
Toa didy ts’isy hoe nahoana… nandrotidrotika fanahy…
Ifonako aminao, malala :
Tia aho, ka toa adala…

Iny ranomasoko iny nirotsaka satria tsy tana;
Iny tebitebiko iny, tsy mba haiko noraràna;
Ireo teny nankarary nosoratako ho anao,
Fihantsiana niharihary, filàna ady tsotr’izao…
Ifonako aminao, ry aiko,
Ny mitia angaha no tsy haiko…

Ny tsy mba niheverako izay mety hoe nanjo anao,
Fa nentin’ity fitiavan-tenako, tsy nisaina afa-tsy ny izaho;
Ny tsy fahaizako nitia sy nankamamy ny anjarako,
Ity fahazarako ninia te hanova ny tantarako…
Malalako, mifona aho,
Miangavy, mitalaho!

Fikasàko manombok’eto ny hanova fomba fisainana,
Izay anjarako ho ekeko, ho lavitra ahy ny fitarainana;
Hasambarana, hafaliana, ireo no inoako hiainantsika,
Salanitra fa tia ka tiana… paradisa ny antsika…
Raha sendra misy hadisoana,
Mba iantrao rehefa mifona…

Ryana
(30/07/03)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
17412 10
Hevitra mandeha
anaytt ( 05/03/2010 11:45)
fihetsiky ny vehivavy no miala kely rehefa misy ny manahirana (tsy voatery hoe fampirafesana ihany),misaotra mamoka izay tian'ny vehivavy rehetra ambara izay
fenitra15 ( 29/05/2015 09:25)
mafinartr beuh!!afk mamorona afa akoatranio ve ianao!?
Souki youki Nary ( 13/11/2016 06:26)
:) (Y)
rakotoarison777 ( 14/02/2017 16:46)
tiko b le aingam panahnw,tohiz foan fa ten tsara.......!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147