Marina fa hoe... (Ryana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARINA, FA HOE…

Marina fa hoe adidy ts'hita isa no atrehin'isan'andro,
Asa, raharaha efa aman'alin-kisa, 'zary fohy ny andro…
Na izany aza ve dia tsy tsaroana intsony
Fa any misy namana…
Miandry, manantena, miandrandra hoantsoina,
Tsy sasatra mitazana…

Marina fa hoe efa nisy ihany teny izay nifanolorana,
Tsy toky marobe, fa teny tsotra ihany; tsy voady, tsy fatorana;
Kanefa ankehitriny toa foana, babangoana,
Ireo niaraha-nikasa…
Aloka sy ako no sisa manoloana,
Toa nofy irony lasa!

Marina fa hoe indraindray tokoa, mamitaka ny saina,
Mazàna aza ny tena mila hovaky loha, mila hiala aina,
Kanefa raha ny anio, inoako tsotr'izao
Fa tsy honohono, na atsanga…
Tsapako ankehitrio f'efa nidify ela ianao,
Ny toeranao efa banga…

Marina fa hoe tsy fifaliana ary tsy mora, ny tsy maintsy manadino,
Ratra, sento, ranomaso arahin'eso sy akora, satria ity fo tsy mety mino;
Nefa moa mitohy, ary tsy hay tohaina
Ny fivadibadik'ity andro
Ka tsy maintsy mitraka ihany, mbola hisy ny maraina,
Ny alina hisolo ho andro!

Ryana
(06/11/03)
--------
Rohy:
1479 0
Hevitra mandeha
hery ( 06/11/2003 11:25)
Wawo Ryana,
Tena gravy ity tononkalonao ity.
Mampisondrotra fanahy.
An'izay lavi-tiana :)
Ryana ( 13/11/2003 12:42)
Gravy amin'ny ahôôôôôna ary???
:-)
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144