... MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO! (J'en déduis que je t'aime") (Ryana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
… MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO!

Ny tahotra manenika ahy fa hoe izaho ilaozanao,
Tsy mandry saina, miahiahy fa hoe tsy hahita anao,
Ireny alina mangina manadala ny fisainako,
Tebiteby, fanahiana, mandrakotra ireo marainako,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Ny fahazarako mazàna mieritreritra anao,
Nofinofy tsy hay raràna fa miara-miaina izaho sy ianao,
Ny faniriako sesilany, mananten'hofihininao,
Ny fanahiako mavàny fa ny antsika kilalao,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Foko midoboka amin-tahotra rehefa injay mahita anao,
Ity famindrako miahotra, tsy sahy manantona anao,
Ny alaheloko anaty, rehefa diso fanantenàna,
'Reo ratra mila tsy ho tanty ataonao ahy tsy nahy mazàna,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Ny fahatsapàko fa toa very ny androko talohanao,
Ny finiavako hampiery ny tantarako tsy misy anao,
Fijery lasana vinany, mazàna tsinjoko aminao,
Toa mitory f'any ho any, mbola misy maraina vao,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Inoako fa ny fahataperana, indraindray dia fiandohàna,
Ka na ho eo aza fahanterana, ny fitia tsy hay raràna,
Ireo teny mamiko rehetra izay tsy azoko tononina,
Satria ny antsika toa voafetra… fitia mangina sy kobonina,
… Midika fa hoe tiako ianao!

Ryana
(30/09/03)

(Nadika avy tamin'ny "J'en déduis que je t'aime" - Charles AZNAVOUR)
--------
Rohy:
4964 7
Hevitra mandeha
dd ( 02/10/2003 20:43)
tsara be re lay izy Ryana! toa maha lasa vinany araka ny tenin'i Hery ...
moi ( 03/10/2003 09:06)
'Zao ve dia tafavoaka raha tsy raiki-pitia ? Mahafinaritra.
Ryana ( 03/10/2003 10:36)
dd sy moi,
misaotra nitsidika ê!
Ryana
Solei ( 03/10/2003 23:31)
...midika fa hoe tiako ianao... tsy fantatro ilay orijinaly fa tafavoaka tsara ilay izy amin'ny teny malagasy, ohatran'ny hoe mahalaza ny ato anatiko izay tsy voateniko sy tsy ho voafehiko amin'ny teny...
...midika fa hoe tiako ianao... mahafinaritra ny mamerina an'ilay fehezan-teny.
Misaotra dia mazoto e.
Ryana ( 04/10/2003 08:09)
MIsoatra an'i Solei!
Ryana
lanto ( 05/10/2003 10:03)
Manja e ! Asa raha tsara noho io ny orijinaly! Tsy maivana nefa tena mora levonina ny teny nampiasaina. :)
hery ( 05/10/2003 10:29)
Tsara be ilay izy Ryana... mety hahavita sahala amin'i Dox ianao.
Raha io tononkalo io izany dia azo faritana ny atao hoe TIA. Dia matahotra koa aho hoe mety azo tsoahina amin'izay ny atao hoe tsy tia.
Hmmm
Ryana ( 06/10/2003 10:11)
Misaotra an'i Lanto.

Hery, raha ny hevitrao izay no arahina, rehefa tsy io ve izany dia tsy tia? Koa tsy horaharaha vé izany?
:-)
Ryana
esther ( 12/07/2004 09:00)
tsara be mety ho lasa poety malaza enao
esther
bisous
fanomezana ( 27/10/2004 12:37)
Ny mitia tokoa no tsara noho ny tiavina, tsara ilay tonokalonao, Misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103