Na dia fotsiny aza hoe... (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA FOTSINY AZA HOE…

Raha mba fantatrao mantsy ny fahadisom-panantenako,
Zary maizina avokoa izay lalana ombako,
Mitriatra ny ato anaty, mihelakelaka ny fo,
Toy ny adala… very remby ka mivadik’ati-doha,
Rehefa injay ianao tsy hita,
Ny fiainako mipitrapitra!

Raha mba fantatrao mantsy f’iny fotoana fohy iny
No mamaritra izay mety ho tonon’ androko amin’iny,
Masoandro antenaiko hanazava ny tontolo,
Hery iray andrandraiko hanarina izay nikoro,
Ka rehefa tsy mba tazako
Mangidy hatramin’ny ativavako!

Raha mba fantatrao mantsy f’izaho anie tsy manantena,
Na mangataka ny volana, na zavatra sarotr’omena;
Tsy sanatria koa hitambezo, ka hifikitra, hiraikitra,
Na hanembatsembana anao, na handratra toy ny kaikitra;
Fa na ny alokao ihany aza
Dia ataoko ho sahaza!

Raha mba fantatrao mantsy izany rehetra izany,
Angamba ianao tsy homafy fo, fa mba hiserana ihany…
Na dia fotsiny aza hoe… noho ny fihavanana,
Na dia fotsiny aza hoe… entanim-po antra namana,
Na dia fotsiny aza hoe…
Satria sambatra ny manome!

Ryana
(18/12/02)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3491 3
Hevitra mandeha
hery ( 15/10/2003 20:32)
Lalina be sy manentana fo. Misy olona tiako hamaky matetika ity tononkalo ity :)
Merci Ryana
Ryana ( 16/10/2003 13:42)
Ka ahoana izany?
Tsy aleo v' izany atao copier/coller dia omena azy hataony eio an-dohafandriana?hahahaha
Tsy misy merci Hery â!
Ryana
moi ( 17/10/2003 11:58)
Na dia ny fihetseham-po teo am-pamakiana ity fotsiny aza ...

Ary efa nahita azy ity ve ilay nanoratanao azy e !

Misaotra ry Ryana.
Ryana ( 18/10/2003 05:24)
Moi,
Efa nahita, angamba... asa????
Misaotra nihetsi-po ê!
Ryana
rbkfoana ( 31/10/2003 19:21)
Maha lasa saina.Tena niainanao ve ilay tantara?
Ryana ( 02/11/2003 08:20)
rbkfoana,
Azo lazaina hoe eny. Izany hoe, raha ny marina, niainako @ ampahany.
MIsoatra nitsidika ê!
Ryana
DadaRabe ( 20/03/2004 15:36)
be fitiavana an! :-)

DadaRabe
Ryana ( 20/03/2004 15:39)
Misaotra an'i DadaRabe nitsidika!
Ryana
hadasy ( 01/12/2004 09:16)
tena marina le tononkalo ho an' ny tena tia , tena sambatra kosa aloha le olon-tinao e , sarobody aminao be izy , raha mbo za manko zany an , ahahahahah.Iza zany olona tianao hamaky io zany ry hery ? olon-tinao ngamba e .Mahereza ry Rayna an , tasar fa tohizo e.
hasinando ( 30/05/2006 13:05)
mampatsiaro ahy olna iry io tononkalonao io merci fa tsara .Mino aho fa tsy ho resy foana isika ety!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011