Namako any ho any (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMAKO ANY HO ANY

Tsy fantatro ianao hoe iza, na ny misy anao hoe aiza;
Tsy fantatrao ny amiko : avy taiza aho ka ho aiza;
Fa dia finaritra isika miserasera eto,
Mifampizara tsiky, mifampizara sento!

Tsy takatro fantarina izay tadiavinao,
Tsy fantatrao marina ny tena anatiko ao,
isika dia miresaka, midinika, mitafa,
Manjary fahazarana, tsy misy mihafahafa!

Dia misy faniriana ny hifankahafantàrana,
Angamba mety ho tsara
angamba mety ho marina;
Manahy anefa aho fa raha izay no izorana,
Fahasamihafàna no ho hita; hivaha ity mba fatorana!

Ka lasana ny saiko; tsy aleo ve am izao;
An-tserasera ihany no mihaona izaho sy ianao;
Raha latsaka anaty mantsy ny fifandraisana,
Rehefa mifarana, mandratra... mampitondra faisana!

Izao anie, na dia hoe tsy mbola nifankahita,
Any ho any misy namana;
Efa samy mino isika;
Izay aloha, raha amiko, dia efa zava-dehibe:
Fahatsapàna fa tsy irery anivon-dranomasim-be

Ka aleo ihany am'izao,
Namako any ho any ianao
Ryana
(27/02/03)
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
3561 3
Hevitra mandeha
lanto ( 15/11/2005 15:03)
Aza gaga ryana an ! hitako tao am forum de nahafinaritra ahy :)
Mariano ( 23/11/2005 12:57)
Tiako be izany sentiment nao izany,
Ryana ( 13/12/2005 09:12)
Misaotra an'i Lanto.
Ryana
hery ( 10/01/2006 07:23)
Nolazain'i lapino tao amin'ny wikianja ity dia novakiako dia tena nahafinaritra ahy.
Lalina be ilay ventinkevitra.
Misaotra an'i Ryana.
Ryana ( 07/04/2006 13:06)
TSara izany ry Hery.
Lalina tokoa anie ity internet ity ê!
Ryana
ravakamalala ( 27/04/2006 13:32)
za koa ohatran i hery , hitako tam wikianjan i lapino d nahita aho d gaga hoe tena marina io zavatra nolazanao io , sady amin ny endrika kanto, marina tena marina,
soakely ( 18/09/2006 07:31)
za koa aloha de miombok'hevitra aminao tanteraka ary na tsy hitako aza enao na tsy fantatro de haiko fa afaka mifandray tsara isika satria mitovy hevitra
Ryana ( 07/11/2006 11:48)
lalina ny fivoaran'ny fifandraisana noho ity internet sy mailaka ity!
Ryana
njaf ( 17/11/2006 07:18)
setriny

soa fa nisy ny eto (net)
nentina hitantara ny zava-mampisento
dia nentina ihany koa
hifanakalo vetso

soa fa nisy ny eto
nifanolora-tanana
sy nampiray mpinamana

soa fa nisy ny eto
nitantarana nisy
hifanankaloza-tsiky

soa fa nisy ny eto

Fa soa koa fa nisy ianao
hiteny ny ato anatiko
hanoratra ny tsy tantiko
hizara ny hafaliako
hiteny ireo tsy tiako
hitsabo irony sentoko
hilaza ny efa nentiko
hiteny ireo kinasa
sy hampatsiahy ny lasa

Fa soa fa nisy ianao
fa na izaho aza
tsy mahita ny sahaza
mba ho entiko milaza
ireo hetaheta-poko

tsy mahita izay mba teny
ho entina miteny
ireny lasa ireny

tsy manana sopapa
mba entina mitafa
ireo zay mba kinasa

fa soa fa nisy ianao
ka ny ho teny sesilany
dia manorata hatrany
fa sitrakay izany

Mankasitraka eeeeeee
Ryana ( 03/01/2007 07:57)
njaf,
mankasitraka ê!
mirary taona vaovao feno hasambarana ho an'ny rehetra!
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105