NIHELINA (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIHELINA

Indray harivariva izay...

Iny volana eny iny,
Hatrizay niriako ho namana,
Namangy ahy izy iny,
Nanetri-tena mba ho havana.

Tsy sanatria nataony ho sazy,
Na fandrabiana ny fanahy,
Izaho izay nanantona azy,
Fa nijanona izy, niandry ahy.

Dia nihaona izahay,
Nidinidinika, niresaka,
Liana izy nihaino ahy,
Tafatombina, nipetraka...

Dia nentiko izy, vetivety,
Namohafoha ny omaliko,
Ireo làla-mideza sady hety,
Baraingo maro tsy voavaliko;

Izaho nanambara taminy
Ny tsy fiandrandràko intsony ny ho avy,
Fa ny andro anio sy izay maminy
Dia ampy ho ahy... tsy vazivazy!

Ary izy nitanisa
Ireo toerana efa novangiany,
Ireo mpankafy azy alin-kisa,
Izay tsy maintsy nidifiany...

Nefa indray mpi-maso monja,
Tapitra ny fe-potoana,
Toy ny rano avalon'onja,
Lasa ts'isy hoe nahoana...

Iny volana eny iny,
Nidina namangy ahy,
Na dia nihelina aza izy iny,
Nambabo, naharendrika ahy!

Indray harivariva izay...

Ryana
(15/10/07)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiononana - embona
1531 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141