OMEO AZY (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMEO AZY

Ireo angolan-teny mamy nokasainao handrotsiana
Izay mety ho takarivantsika;
Ireo nofinofy mamy nokoboninao mangina
Hanazava ny alintsika;

Ireo fihetseham-po izay tsy azonao notànana
Rehefa isika mba nihaona;
Hafaliana anaty koa izay tsy azo nosakanana,
Tsy voazava hoe nahoana;

Ireo masonao sariaka, midorehitra fitia,
Taratry ny hafaliana;
Ireo tsikinao baliaka toa milaza f’ho doria…
Satria tia ianao ka tiana;

Ireny fotoana mamy ireny, na fara-fiononako aza,
Omeo azy ts’isy fetra,
Omeo azy tsy an-kiteny satria ef’izy no sahazan’
ny sisa andronao rehetra.

Ryana
(15/12/06)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiononana
1786 0
Hevitra mandeha
nikopol ( 18/12/2006 13:52)
fampijaliana tena re izany e lollll
pissoa ( 21/12/2006 05:10)
Halala ! Zavatra tsara be izany ve dia avela [i]omeny azy[/i] fotsiny ? Hihihi.

Tsara !
Ryana ( 03/01/2007 07:52)
Nikopol, fampijalian-tena ahoana kosa ê? ny fiononana ve dia fampijalian-tena?
Pissoa,
hahahahha ka na tsy omena aza anie efa lasany ê! tsy aleo ve mody atao hoe ny tena no manome toy izay hoe efa lasany??? hahaahha
Misaotra namangy.
Ryana
scotlandyard ( 27/02/2007 19:23)
Ho setrin'ny tononkalon'i Ryana hoe OMEO AZY
Ary mbola atolotra an'i pissoa ihany koa ho setrin'ilay hoe MAHAIZA MANDEFITRA

EFA NOMEKO

Efa nomeko azy, ny tso-drano sy hafatra
hahafahany miaina, fitia feno sy lafatra

Efa nomeko azy, ny tsikombakomba
efa mangina aho, sy mahalala fomba

Efa nomeko sy naveriko, ny sangy vazivazy
izao vao tena haiko, ny dikan'ny mariazy

Efa nomeko sy naveriko, ireo tosy s'ireo dola
hampirobo ny azy, ireo oroka sy angola

Efa nofafako, ilay adiresiny
ka teny hoe "adinoy", no nataoko setriny

Efa tsy nantsoiko intsony ny anarany
ilay indray andro iny, angamba sisa farany

Efa tsy nofisiko, ilay fahininay
efa novonoiko, ilay hoe "izahay"

Efa maso hafa ny fijeriko azy,
ilay maso mangatsiaka manefa izato sazy

Fa ...

Ny hany sisa adinoko, angamba tsy ho tsiniko
ilay Fitia mireda, anatiko fihiniko
Fa tsy ataoko fantany, ny fisian'izany,
Fa gadraiko, sy gejaiko, ho ahy irery ihany

jamarc ( 08/01/2008 15:34)
mampanaelo no mamaky ny tonokoko ny enao raha sendra mijery eto enao de milay be ok
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315