RAHA HANDALO ATY IANAO... (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HANDALO ATY IANAO…

Raha handalo aty ianao,
Tsy akory hoe hitoetra;
Fa hiserana, handao,
Ny ora hihaonana voafetra.

Azonao an-tsaina, inoako,
Ny hasambarana andrandraiko;
Nefa marefo ny finoako,
Manenjika ahy koa ny saiko!

Sao mantsy ho fahoriana
No hameno izato fony;
Tebiteby, fanahiana,
Ahiahy tsy hitony…

Sao ho zary endrinkendrika
No hiandry ny fiverenanao:
Ny fandalovanao? Tsy mendrika,
Tany fady no ombanao!

Sao ho zary disadisa
Ny ho avy sy ny ampitsonao;
Sotasota, kisakisa,
Filan’ady tsotr’izao…

Sao ho maloka ny endriny
Ary izy koa himaona;
Fa toa mikoro izay kinendriny,
Toa ho foana… babangoana!

Ka raha handalo aty ianao…
Aoka re tsy mba ho tsiniko
Raha saraka aman-teny aho;
Ny masonao no hany hobanjiniko!

Raha handalo aty ianao…

Ryana
(01/07/07)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1282 2
Mpakafy: Ryana-1 - Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147