You are here: home > Vetso

REDIREDY TAKARIVA - Ryana

REDIREDY TAKARIVA

Ianao ry Masoandroko iny,
Mba fantatrao va re…

F’izaho aty tsindrin-daona, miandrandra ny fihavianao,
Ny foko mientana tsy hay ferana;
Manontany tena foana hoe hibaliaka ve ianao,
Sa zary ho taratra fitserana…

Fa izaho anie marofy rehefa injay ianao tsy tazana,
Fa toa takona any ho any;
Dia lasa saina aho, manonofy; azo vidiana sa tambazana
na dia ny anaranao ihany?

Izaho koa anie mahalala fa toerana sy tany hafa
No efa voalahatra ho anao;
Nefa mifikitra tsy miala ny faniriako te hitafa,
Hanaraka sy hanjohy anao…

Ireo sombin-taratrao no vontoantim-pahasambarako,
Ampy mahafaly ahy;
Ary ny anaranao noraiketin’ny tantarako
No jiro manazava ahy…

Ryana
(23/07/08)

Sokajy : embona

Hametraka hevitra

Midira aloha