rehefa tsy eo ianao - Ryana
Azo vakiana?
REHEFA TSY EO IANAO
Rehefa tsy eo ianao,
Zary babangoana izay rehetra jereko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny fiainako misaona, tsy misy intsony ekeko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny foko zary maona, miantso fa tsy reko!
Rehefa tsy eo ianao,
Tsy misy zava-bitako, toa very remby aho;
Rehefa tsy eo ianao,
Izay nofaritako, toa zavona mandao;
Rehefa tsy eo ianao,
Ity fangitangitako, tsy mba ho takatrao!
Rehefa tsy eo ianao,
Izaho miandrandra hatrany ny fihavianao,
Rehefa tsy eo ianao,
Ny saiko maminany, lasa aiza re ianao?
Rehefa tsy eo ianao,
Ny foko mitomany, maratra anaty ao!
Rehefa tsy eo ianao,
Ity fisiako mihitsy no tsapako tsy ilaina;
Rehefa tsy eo ianao,
Ireo fahavalo tsy mitsitsy, mikendry hanala aina;
Ka raha mba azo hatao,
Ataovy ora vitsy… Faingàna sombinaina!
Ryana
(04/09/03)
Hevitra mandeha
Solei (04/10/2003 01:35:12)
Marina izany...
Ataovy eo foana izy e...
Mahafinaritra ny mamaky ny tononkalonareo.
Misaotra dia mazoto e!
Ryana (04/10/2003 10:11:51)
KA tsy mety anie fa tsy maintsy tsy eo indraindray na mazàna ê!
MIsaotra nitsidika Solei â!
Ryana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ryana
Nampiditra : RyanaDaty : 03/10/2003
Mpamangy : 1120
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MBA LAZAO AZYHOY IANAO...
MANDALO IHANY (nadika avy tamin'ny “Ça passe”)
NANJARY TIAKO
NANJARY NEKEKO
ISAO TOERANA AHO (nadika avy tamin'ny "Fais-moi une place")
TIANY, HONO, AHO...
NY HERIKO
RAHA HO AVY
AZAFADY