SAINGY TIANA (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAINGY TIANA

Saingy tiana ve,
Dia manan-jo tokoa
Hanoritra ny làlana izay tokony hodiaviko?
Saingy tiana ve,
Dia afaka ihany koa
Hametra sy hifantina izay olona hotiaviko?

Saingy tiana ve,
Dia afaka mibaiko
sy mandidy ahy tsy hiantso na hitady?
Saingy tiana ve,
Dia mamehy izay ilaiko,
Ka mandridrim-baravarana sy manidy vavahady?

Saingy tiana ve,
Dia manjakazaka,
Mandrefy sy mamatra ny antsipirihim-piainako?
Saingy tiana ve,
Dia tsy miambakavaka
Misafidy sy manapaka izay ho lokon'ny marainako?

Saingy tiako ianao,
Dia nekeko manontolo
Ireo fetra sy ireo sakana napetrakao hanelanelana;
F'ilay fitia any aminao,
Raha tsy mbola bobongolo,
Aza kobonina na ferana... Avelao izy hamelana!

Ryana
(27/02/07)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1396 0
Hevitra mandeha
scotlandyard ( 28/02/2007 22:34)
Ity ary ny tohiny e , dia aza variana loatra eny amin'ny "lanitra fahafito" fa miverena ety an-tany ihany indraindray e hihihi


ANDROANY

Androany ianao no babo, sy milavo lefona
Fa ny ampitso mbola ho avy,
K’ianao hiefonefona
Ka tsy hanaiky intsony, ireo fetra sy lalàna
Namerany anao tsy hivoaka ny tanàna

Androany ianao no resy, mahery ny fitia
Ka mbola tsy mihiratra fa saron’ilay fy
Fa rahampitso ianao tsy ho jamba intsony,
Rehefa tsapanao izay tena ao am-pony

Androany ianao malemy, ka tsy hamaly azy
Fa ilay kapony aza, nataonao vazivazy
Fa mbola hahery ianao, ary hahatsapa,
Fa tsy izy no mibaiko, na hoe tompon’ny lapa

Androany ianao badenina, sy jenjin’ny fitia
Ka tsy hahalala , ny havanana sy havia
Fa rehefa taitra ianao, hihoaranao ilay fefy,
Ka hitsipahanao ireo zavatra voarefy

Raha tena tia ianao, aza avela hanjaka
Sy handidy irery izy, fa miaraha-mamaka
Sy mandinidinika, ireo mety sy tsy mety
Izay ianareo roa , vao manao ny fety


Raha tena tia ianao, ny ampitso no banjino
Fa aza variana loatra, amin’ilay “tiako fa fihino”
Ho anatry ny ampitso , izay ekenao anio
Afo ny fitia, izay no tadidio








Ryana ( 01/03/2007 14:08)
misaotra ê! ka raha midina anie izany dia ho main'ny afo ê:-)
Mankasitraka hatrany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144