TANTARA FOHY (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARA FOHY

Tantara fohy dia fohy...
Indray mpi-maso monja dia lasa sy nihelina
Toa tselatra ihany;
Tantara tsy nitohy,
Tsy hita hoandrandraina hipody na hiverina,
Nefa namela mamy.

Sombin-tononkira...
Tsy nisy akory andininy, na koa fiverenana
Fa teny vitsy monja;
Ritsoka an-dakira,
Tsy sarotra tononina, ary ny ako izay navelany
Mandrotsy toy ny onja.

Tapaka tantara...
Tonga tam'zao, tsy hay ny niandohàny
Fa maloka ity farany;
Satria fitia voarara
Ny azy sy ny anao, ka any am-parany any,
Tsiaro no ho anarany!

Ryana
(02/08/06)
--------
Rohy:
2889 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 06/09/2007 16:59)
Tsara be !

Mankasitraka hatrany Ryana, ankafiziko tokoa ny tononkalonao.
Ryana ( 07/03/2008 22:43)
Misaotra an'i Pissoa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145