Tiako ianao... (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO...

Tiako ianao...
Fony tsy nambara, nanadala fanahy, nametraka adin-tsaina,
Fony tsy voazara, naha-vahobahotra, nampiferinaina,
Nefa nandrandraina, namoronana atsanga mba handrenesana azy,
Nony nolazaina, niteraka haravoana fa hay tsy vazivazy!

Tiako ianao...
Teny roa ihany nefa ampy hamafàna irony ahiahy,
Teny roa ihany, mitondra hafanàna am-po sy am-panahy,
Teny roa ihany nefa toa mamaha ny olana rehetra,
Teny roa ihany, mivimbina hafaliana sy tsiky ts'hita fetra!

Tiako ianao...
Teny roa monja nefa toa manova izao tontolo izao,
Teny roa mafonja, manazava ny aliko na lavitra aza ianao,
Teny tsotra ihany, nobitsihinao tamiko, avy tam-ponao...
Safononoka aho... tsy hitako ny havaly: tiako koa ianao!

Ryana
(08/07/03)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
8962 9
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127