TSY AMPY (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AMPY

Tsy izaho mihitsy
No ampy hampifaly ny ao anatinao;
Tsy izaho, indrisy,
No hahasafononoka ny fo sy fiainanao;
Tsy ampy izay ananako,
Na hosandaina aza havadik'ho hasambarana,
Satria ny tantarako
Toa efa voalaza fa olana tsy hifarana!

Tsy amiko tokoa
No hahitanao ny tsikin'ity fiainana;
Eo ny ratrako taloha,
Ny ho avy koa tsy hay... toa ho feno fanaintainana...
Tsy ampy ho'aho ny aiko
Hanangonako izay mety mba hahafaly anao;
Voafetra koa ny saiko,
Ka tsy haiko mba takarina ny fanirianao...

Tsy ampy ho anao
Ny amiko rehetra, ny fiainako tontolo;
Tsy ampy ho anao
Na hoe tsy asiana fetra fa ho anao daholo...
Menatra aho mitaha amin'ny soa sy kanto izay niainanao,
Satria raha izay izaho
Dia tena tsinontsinona eo anatrehanao!

Tsy hitako ny hatao,
Ny saiko toa mionona, ny foko manantena!
Ny fitiavako anao?
Tsy zakako kobonina, hery tsy hay fefena!
Raha sendra kosa ho'aho
Misy ny fotoana mba ilànao namana,
Ho eo hatrany aho,
Hizara sy hanome izay kely mba ananana.

Ryana
(21/07/03)
Niainga tamin'ilay andalan-tononkiran'i J.J. Goldman hoe:
"Parfois même tout donner n'est pas forcément suffire"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fahantrana
1639 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139