Tsy ho ahy! (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO AHY !

Efa fantatro anie f’iny namako iray iny,
Dia hiserana ihany, handalo satria mpivahiny ;
Efa fantatro ihany koa, fa ny foko no adala,
Nanantena hampiantrano vorona handao ny ala...
Fantatro fa samihafa
Ny tontolo misy anay,
Raha an-tserasera no mitafa
Dia mitovy izahay...

Efa fantatro anie fa fitserana ahy ihany
No nahatonga azy niondrika, nanarina ahy tam’ny tany;
Efa fantatro, f’izaho no te handrebireby saina,
Ka niandrandra fa amin’azy no hizarako ireo maraina...
Fantatro fa diso aho
Nanantena diavolana,
Kinanjo orambe mitraho
No namonto ity foko tonana!

Efa fantatro anie fa raha ny marina no marina,
Tsy ny toa ahy mihitsy no mba iriany hofantarina;
Fa noho ny fony antra olona, ary noho ny fiaraha-monina,
No nahatonga azy nampahery, nampionona;
Kinanjo hafa no niseho,
F’izaho nareniny indray
No niangavy, nitoreo
Hoe aoka hisy ny “izahay”...

Fantatro, izy tsy ho ahy, ka ny mba teniko farany,
Fahasambarana ho ahy ny nifanojoako tamin’ny làlany,
Lahatra samihafa mihitsy no voasoratra ho anay,
Faly aho nahalala’azy... ataoko ampy ho ahy izay!
Isaorako ny Ao Ambony,
Ary mbola hiangaviako,
Hanome ahy fo tony
Hanohizako ny diako...

Ryana
(28/03/03)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1834 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 26/09/2006 14:09)
IZAO ATAO
Aza adinonao fa...
izy koa anie mba miheritreritra
sy maka sary an-tasina
irony zava-bita rehetra.
Saingy,
izy tsy afaka
hatramin'izay nahatapaka
ny fifandraisana izay nisy;
efa lasa ireny,indrisy !

Adinoy...
raha azo atao aza!
Soloy!
Dia ampirimo aleveno any @ lalina;
aza tsarovana akory
na dia zava-marina.
Ny ho avy jerena,olon-kafa indray fantarina;
iny efa tapitra,
f'ianao tsy maintsy miarina.
...Tsoa
29-01-03
Ryana ( 28/09/2006 06:18)
Vetsoko,
Fanadinoana? mora tenenine fa mile fotoana sy zavatra maro vao tanteraka. Sarotra nefa rehefa izay no làlana tsy maintsy aleha, dia izorana. Mial fotoana, fotoana lava.
Misaotra nitsidika,
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144