Dinitrao (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINITRAO

Raha tsy ianao vahoaka
No noitra sy nitolona
Dia saika maty tsindrin’
Ny hadalan’ny olona !

Raha tsy ianao vahoaka
No nikimpy sy niteny;
Dia nambakain’ny sasany
Hatramin’ny fireneny !

Fa raha tsy ianao vahoaka
No mba nahatsiaro tena;
Dia levona tanteraka
Ny hoe: “FAHALEOVAN-TENA”

Ka fetsy ihany ianao
Niezaka nitsoaka,
Mba ahalalàny tsara
Fa MAHERY IANAO VAHOAKA !!!

Fa raha tsy ianao vahoaka
No nanam –pisikinana;
Dia saika lafo vola
Hatramin’ny FAHAMARINANA


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
877 2
Mpakafy: sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153