You are here: home > Vetso

Ilaina ianao - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Azo vakiana?

ILAINA IANAO

Raha toa ka ianao
No fanoitra hampilamina
Ity tany ity,
Ka mety ho hery;
Maninona moa
Raha samy mioitra
Hiombom-pitia
Hiady amin’ny fiainana ?
Dieny androany,
Ka velona ianao !
Dia aza anaovana
Fangalam –piery
‘Zay tokony hisainana.
Ka mijoroa !
Fa ianao raha vao dify
Tsy hita eto fotsiny;
Reo olon –drehetra
Mivelona ireo :
Hitady avokoa !

Ny adidy efao !
Fa ianao raha vao lasa
Tsy tazana intsony,
Dia tsarovy tsara;
Fa na mpiara –monina,
Na ny fiainana
Dia hitady  anao !
Hizaha olon –tokana
Anatin’ny  arivo
Izao rehetra izao.
Ary ianao...
Handatsa tena
Amin’ny isan’adidy
Tsy nisy natao

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
SAF TSINJO Anjanahary, faha 24 Mey 2003

Sokajy : fiainana