Teny fahendrena (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENY FAHENDRENA

Aza zarinao mitsabaka
Ny fiainan'olon -kafa
Ny ato an-tokantranontsika;
fa ny fiainan'olon -kafa:
sasanangy tsy mitovy,
Valiny tsy mira dika
Amin'ny hitatra sy habaka

Aza zarinao velomina
Any am -patan'olon-kafa
Ny afon'ny nahandrontsika;
Fa ny fatan'olon -kafa,
'ndrao mivaralila fitoetra
ka ho voadonanao fandika,
Ho henatra amin'ny mpiara -monina !

Aza zarinao ailika
Eny an -tatatr'olon-kafa
Ny loton-tokontanintsika;
fa ny tatar'olon-kafa,
Rano no atsipiny ao
Sy avelany handriaka
Fa tsy fako be fanilika

Dia aza zarinao matory
Any an- tranon'olon-kafa
Iny zanatsika iny;
Fa any an -tranon'olon-kafa:
'ndrao tsy misy bedibedy
Na tari-dalana amin'ny diany
Fa matory, dia matory !!!

Aza zarinao hiteny
NY fitenin'olon -kafa
Iny zanatsika iny,
Fa ny fitenin'olon -kafa:
vatravatra tsisy fady;
Tsy tompontany, tsy vahiny
Fa zatra "ngoso" sy "ompa reny"

Dia aza zarinao ovaina
Ho toy ny fomban'olon-kafa
Izany fombantsika izany;
Fa ny fomban'olon-kafa
Tsy tiako hizaranao hiainana,
Satria ny fiainana eto an -tany :
Iainana io, fa tsy lazaina.

Araho izay fepetra izay
Sy ny zavatra voalazako :
"Aza ny hafa no tarafina
fa ny fomba fanabeazako"

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Avy ao @ FARIBOLANA SANDRATRA
Antananarivo
Tél: 033 14 253 57
in- TANAN - DAVA ( 2002)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
2678 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
sejianis ( 23/05/2004 09:21)
sarondrahona a! Milay be!!!!!!
sejianis
sarondrahona ( 24/05/2004 07:24)
Misaotra Sejianis a! Voaray ny voninkazo e !
doum ( 27/07/2005 19:22)
tena misaotra e
tiko be ny tononkalonao
misy lesona zan marina a
tsara e
mbola hihaona isika e
:-) :-)
Malalason ( 30/07/2005 07:35)
resy lahatra aho
sejianis ( 07/08/2007 16:25)
safotra aho
tsara loatra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147