Avereno (Sitraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVERENO

Averenonao ny masoko
Fa lasanao any
Nentinao tsy niera
Fa ny ranomasoko
Zatra nitomany
Maina efa hatry ny ela

Averenonao ny saiko
Navilivilinao
Teo andala-maizina iny,
Tamin'ny zavatra tsy haiko
Nataonao kilalao
Tamin'ny andron'ny fahiny.

Averenonao ny foko
Fa toa tsy reko intsony
Mitempo anatiko ao.
Nalaina antsokosoko
Ilay felana namony
Avereno izao dia izao!

Sitraka: 18 febroary 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1063 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitraka
Nampiditra : sitraka Feno Tanteraka
Daty : 19/06/2015 19:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142