Indrisy (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy mantsy ry vintana!
ity mahazo ny mpanomponao
misy fery tsy mety ho sitrana
manaintaina ao anatiko ao
Notsaboiko fa tsy mety ho afaka
Niafiko fa toa tsy nanjary
Areno aho fa tena solafaka
sitrano aho fa tena marary

Ny anjara izay nantenaina
dia navela ho lovan'ny hafa
ka ny bozaka isisa isaina
ihomehezan'ireo mpanatsafa
Ilay olona iray tena tiako
sy nanome fitokisana tamiko
dia nanary ahy fa tsy mba nariako
satria izy ihany no mamiko

Tsy tiany intsony aho fa olona ambany
nafoiny fa olon-tsy manana
Dia naleony nitady any ho any
ny aminay hono aleo hofaranana
Ianao ve no ratsy ry vintako?
Sa...izay no anjara tsy mantsy zakaina?
Toa zavatra tsy mba fahitako
no mahazo ahy ka mampitaraina

Indrisy mantsy ry vintana!
Ity izaho dia navelany ho irery
Ilay anjara masoandro sy kintana
nosimbainy ka namela fery
Hosomparako koa ve ny anjarany?
Sa...ny anarany no ndeha ho fafako?
Tsia! raha mbola misy ny farany
tsy ho foana ny fanantenako

Skual
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1805 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 20/06/2013 06:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113