TIAKO NY SIPAKO - Skual
Azo vakiana?
Na iza milaza ny tenany ho tsara
Na zovy mandoka ny tenany ho favy
Ny sipako ihany no tena amboara
Ny sipako ihany no tena vehivavy
Olombelona ihany aho ka tia maka fafiny
be fahotàna, sy tia kolikoly
Fa ny sipako kosa tsy asiko rafiny e!
Na hikitik' ahy in-jato devoly.
He!ty fahantrako ikoizan-dry tary
Kanosa velona sy maivan-doha
Ny sipako kosa raha sendra marary
Vitako hatramin'ny mangalatra akoho.
Raha mifanditra izahay sy ilay zandriko
Kitoza iray aza ifamonoana
Ny sipako kosa tsy iasan'ny sandriko
Raha izy no diso dia izaho no mifona
Heverinareo fa raha lasa eo izy
Ho vita mora izany hoe very lapa?
Entiko ny entako ataoko am-balizy
Tsy handalo pretra aho fa tonga dia Papa
SKUAL
Mombamomba
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 22/01/2014
Mpamangy : 2883
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
APETRAHO NY CVAleoko
DIA GAGA IANAO
INONA MOA IZAHO?
ANTEMA
NIOVA BE RAPANANA
SMS
Raha mivavaka ianareo
Iny tsikitsikiko iny
Ny soratra mpanoratra